Farita arovana: omena lanja ny fomba ara-drazana any Andapa

Paikady mahomby ho enti-miaro sy mitantana ma­haritra ny faritra arovana (AP) any amin’ny distrikan’ Anda­pa, ny fanomezan-danja ny fomba ara-drazana sy ny fandraisana andraikitra ny eny ifotony. Ireo ny tsoa-kevitra nivoitra tany an-toerana nandritra ny fivoriana teo amin’ny minisitera, ny tompon’andraiki-panjakana, ny mponina, ny fikambanana, ny mpitandro filaminana. Teo koa ny mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny.
Fositra iray mamotika ny faritra arovana ny doro ala, ny doro tanety, ny fitrandrahana tsy ara- dalàna. Nojerena ny zava-misy tany ifotony nialoha ity fakan-kevitra ity. Nampahafantarina ny tombontsoa azo amin’ny fisian’ny AP amin’ny lafiny toekarena sy sosialy. Neken’ny rehetra ny hampandraisana anjara ny Tangalamena amin’ny asa fiarovana ny harena voajanahary.
Hita ao amin’ny distri­kan’Andapa ny Faritra arovana Marojejy, Makira, Anjana­haribe Atsimo, ary ny COMA TSA (Tandavanala Marojejy-Anjanaharibe Atsimo-Tsara­tanana).

Njaka A.

Partager sur: