Hetsika “Stand up” roa samy nanana ny maha izy azy no tontosa ny alarobia 12 avrily 2023. Nisy ny tao amin’ny Kolejy Masina Misely Amparibe, ny maraina. Teo ihany koa ny teny amin’ny Kinga Mahamasina, ny tolakandro. Samy “Stand up” avokoa no naseho tao anatin’izany. Tafiditra ao anatin’ny fanatrarana ny vinan’ny mpisehatra eo amin’ny karazana hatsikana “Stand up” izao hetsika izao. Tanjona ny hampiroborobo sy hampahafantatra bebe kokoa ity karazana hatsikana ity eto Madagasikara.
Afa-po na ireo mpijery na ireo mpandray anjara. Ireo efa matihanina eo amin’ny hetsika no nanafana ny sehatra ho an’ny fampisehoana tao amin’ny Kolejy Masina Misely. Nisokatra ho an’ny rehetra kosa ny sehatra ho an’ny tao amin’ny Kinga Mahamasina, tao anatin’ny fanajana ny fitsipika mifehy ny karazana hatsikana “Stand up”.
“Efa hita ny vokatry ny ezaka natao. Maro ny efa mahalala sy mahafantatra ny hetsika, tsy vitsy ihany koa ireo manomboka maneho ny talentany eo amin’ity karazana hatsikana ity. ” hoy ny mpikarakara.
Lin (Mpianatra asa)