Hotanterahina ny alahady izao, eo amin’ny Parvis Analakely, ny fampisehoana maimaimpoana «AmbondronA araBé», tanterahin’ny tarika AmbondronA, izay tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-20 taona nihiran’ny tarika. Nametraka lamina manokana ny kaominina Antananarivo Renivohitra handrindrana ny fifamoivoizan’ny fiara eny an-toerana.
Tapaka ho an’ny fifamoivoizan’ny fiara rehetra, araka izany, ny Araben’ny Fahaleovantena, manomboka eo amin’ny tsangambato Jean Ralaimongo hatreo amin’ny Gara Soarano. Toraka izany koa ny lalana Andriantsilavo, manoloana ny kaomisaria boriborintany I, Indira Gandhi, manomboka eo amin’ny Hotel Melis hatreo amin’ny Conforama.
Voakasiky ny fahatapahana koa ny manoloana ny hopitalin’ny zaza, Tsaralalàna sy ny arabe manoloana ny ENMG. Tafiditra amin’izany koa ny manoloana ny Essor hatreo amin’ny Voyage Bourdon.
Ho an’ireo fiara rehetra hihazo an’Ambohijatovo sy Anosy dia mandray ny Petite Vitesse, mandalo Shalimar, mihazo ny Bricodis ary manohy ny lalana mahazatra.
Ho an’ireo fiara rehetra avy any Antaninarenina hihazo an’i Soarano kosa dia mandray avy hatrany ny lalana mandalo ny Bricodis, Urbania ary manohy ny lalana mahazatra.
Foana avokoa ireo toeram-piantsonana tafiditra anatin’ireo lalana tapaka voalaza rehetra ireo amin’io alahady io.
Tatiana A