Mitana ny laharana voalohany maneran-tany amin’ny taranja Judo ho an’ny sokajy -70 kg, ilay vehivavy atleta malagasy, Rasoanaivo Laura. Nisy ny resadresaka nataon’ny gazety Taratra taminy, omaly. Dinidinika.
Gazety Taratra (*) : Nanao ahoana ny nandraisanao izany laharana voalohany maneran-tany izany ?
Laura (-): Faly satria nahazoana vokatra ny ezaka rehetra natao hatramin’izay. Nody ventiny ny rano nantsakaina.
*Midika inona izao nahazoana voalohany maneran-tany izao?
– Tsy mbola io no tanjona fa dingana fotsiny. Mbola misy tanjona maro hotratrarina fa tsy tapitra hatreo akory.
* Inona no hataonao hitazomana io laharana io?
– Hanohy ny ezaka. Tsy hajanona mihitsy ny kotrana. Tsy ariana izay efa hay ary matoky tena amin’ny zavatra rehetra atao, indrindra ny fifaninanana izay hatrehina.
* Manao ahoana ny fanomanana ireo fifaninanana mbola ho avy ?
– Tsy misy fiovana fa tohizana foana ny kotrana. Fanomanana toy ny fanomanana rehetra ihany, ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany hataoko afaka iray volana sy ireo fifaninanana hafa.
Araka ireo resadresaka nataon’i Laura ireo, azo heverina ny mbola hahazoany vokatra tsara amin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), izay hatao eto amintsika, ny volana aogositra ho avy izao. Tsiahivina fa norombahin’i Laura avokoa ny medaly volamena ho an’ny sokajy « senior » sy ny « junior », nandritra ny fifaninanan’i Afrika, natao tany Angola, ny 8-9 avrily lasa teo.
Fitia (Mpianatra asa)