Nankalazaina omaly, teny amin’ny kianjan’Alarobia, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizin’ny lalana. Fanentanana ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eto amin’ny firenena mba handray andraikitra amin’ny fikarakarana ny ankizin’ny lalana no tanjon’ny hetsika. Mba hisitrahan’izy ireo zo mitovy amin’ny rehetra. Ezaka tsy maintsy hatao alohan’ny faran’ny taona ny hamerenana ankizin’ny lalana maherin’ny 360 eny anivon’ny fianakaviany eto Antananarivo, raha ny fanazavana voaray. Horaisina manokana isaky ny zoma faran’ny volana ny ankizy 40 ary hapetraka eo amin’ny toby 4 (centre de placement) na haverina eny anivon’ny fianakaviany.
“Afaka manatona ny toby avy hatrany ireo te hisitraka ny fanampiana, tsy atao eny an-dalana intsony ny asa soa ho fanampiana ireo sahirana”, hoy ny talen’ny asa sosialy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, Dr Raharinandrasana Hajatiana.
Tsy fidiny
Nipetraka tsy fidiny teny amoron-dalana ny ankamaroan’ny ankizin’ny lalana nanaovana fanadihadiana. “Efa hatramin’izay no nipetraka teny amoron-dalana mamanay”, hoy i Eric,11 taona. Nanomboka nipetraka eny anivon’ny toby fandraisana an-tanana izy ireo ny 2020 hatramin’izao. “Mianatra aho hatramin’ny nidiranay teny amin’ny toby ary manam-paniriana te ho lasa mpampianatra”, hoy izy.
“Tena mafy ny fiananana eny an-dalana satria lena foana rehefa avy ny orana”, hoy i Valisoa, 13 taona. Nanana trano fonenana izy ireo taloha fa may izany ka antony nipetrahan’izy ireo teny amin’ny lalana. Nisy nitarika hanatona ny toby izy ireo avy eo ka nifindra any, raha ny nambarany.
Tsy ampy ny tetibola
“Tsy ampy ny tetibola natokan’ny fanjakana hikarakarana sy handraisana an-tanana ireo ankizin’ny lalana eto Antananarivo”, hoy ny tomponandraiki-pirenena miaro ny zon’ny zaza (PNF SC), Raharinivonirina Hary. Nilaza izy fa ankizin’ny lalana avokoa ireo manana trano fonenana fa voatery mandeha miasa sy mitady sakafo hohaniny mba hamelona ny ray aman-dreniny na ny tenany.
Mino (mpianatra asa)