Nivarahontsana i Eoropa iray manontolo, ny talata lasa teo, taorian’ny nandresen’ny Manchester City ny Bayern de Munich, tamin’ny isa mavesatra 3 no ho 0, nandritra ny lalao ampahefa-dalana mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”, taranja baolina kitra. Fihaonana notanterahina tao amin’ny Etihad Stadium.
Tsy nisy tsy niresaka ity fahalavoan’ny ekipan-dRainiboto ity avokoa ny gazety rehetra manerana an’i Eoropa. “Bye bye Bayern”, hoy ny Daily Mirror. “Nanokatra ny lalana any amin’ny manasa-dalana ny City”, araka ny lohatenin’ny L’équipe.
Raha ny fahitan’ireo manam-pahaizana amin’ny baolina kitra any Eoropa, ho saro-dalana ny Bayern de Munich, na mbola handray ny lalao miverina aza. Nanantombo teo amin’ny fifehezana ny kianja mantsy ny Citizens, tamin’iny lalao voalohany iny. Porofon’izany, niisa 9 ny daka nataon’ny Anglisy ka 3 maty raha 4 monja ny an’ny Alemà. Raha tsiahivina, nampiditra ny baolina voalohany i Rodri, teo amin’ny minitra faha-37. Nampian’i Bernardo Silva indray, teo amin’ny minitra faha-70 ary nofaranan’i Erling Haaland, minitra faha-76.
Tetsy an-kilany, resin’ny Inter de Milan, tamin’ny isa 2 no ho 0, ny Benfica de Lisbonne. Ny 19 avrily ho avy izao ny lalao miverina eo amin’izy ireo ka handray ny City ry zareo Bayern ary hampiantrano ny Benfica kosa ny Italianina.
Tompondaka