Marovoay : lehilahy nahatrarana rongony 2 gony

Noraisim-potsiny teo am-pidorohana rongony ny lehilahy iray anatin’ny tanàna Ma­roala, kaominina Antanima­saka, distrikan’i Marovoay, ny 11 avrily teo. Sendra nanao fisafoana ny zandary kinanjo nahita azy tsy nihafahafa ni­doroka zava-mahadomelina. Nosavaina, arak’izany, ny trano fonenan’io lehilahy io. Tratra tao ny rongony roa gony mahatratra 28 kg. Nen­tin’ny zandary nogiazana ireto entana ireto. Natao fanadihadiana kosa ilay nahatrarana azy. Nokasainy hamidy an-tsinjarany ireto rongony sarona tao aminy ireto. Marihina, mampirongatra ny tsy fandriampahalemana an-dRenivohitra hatrany Amba­nivohitra ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina.

Tsiferana R.

Partager sur: