Pretra Andrianjava Serge: “Tokony harindra ny fiaraha-miasan’ireo mpisehatra fifidianana”

Mandeha ny fotoana… Aiza ho aiza ny fanomanana ny fiatrehana ny fifidianana amin’izao? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, ny pretra Andrianjava Serge: “Tokony harindra ny fiaraha-miasan’ny Ceni sy ny FFKM ary ireo mpanara-maso fifidianana.”

“Amin’ny fifidianana, misy ny mpifanandrina : ny kandidà sy ny antoko politika manohana azy. Misy koa ny hery afovoany izay mpandrindra sy mpanelanelana amin’ny fifidianana: ny Ceni, ny FFKM amin’ny maha raiamandreny azy, ny firaisamonina sivily, ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana (ONG). Tokony hifanatona sy harindra ny fiaraha-miasan’ireo hery afovoany ireo.” Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, ny pretra Andrianjava Serge, manoloana ny fiatrehana fifidianana amin’izao.
Avy eo, azo atao ny mamory ny mpanao politika sy ireo mpifanandrina amin’ ny fifidianana. Aleo zaraina toy izay ny fanaovana dinika, fa tsy atambatra be ny mpisehatra fifidianana sy ny mpisehatra politika. Miha­zakazaka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena. Manakaiky ny fotoana hanatanteraha ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Samy manana ny fomba entiny miomana sy manomana an’izay fifidianana izay ny rehetra, arakaraka ny toerana sy ny sehatra misy azy avy.
Tsy ilaina intsony, angamba, ny mamerina ny maha zava-dehibe ny fifidianana, izay taratry ny fiandrianam-pirenena sy ny firaisankinam-pirenena ary fahamatorana politika ara-pomba demokratika. Kanefa eo amin’izay indrindra no mety hisehoana sy hitrangana ary hipetrahan’ny korontana sy disadisa isan-karazany. Noho izany, tsy maintsy ilaina fitandremana sy fandraisana andraikitra matotra hiatrehana an’izay.

Zava-dehibe ny
fanarahan-dalàna
Tokony hanamafisana àry ny maha zava-dehibe ny fanarahan-dalàna ho an’ny mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana. Anisan’izany, ohatra, ny fanentanana ny olom-pirenena handray anjara amin’ny fifidianana. Ilaina ny fandrindrana ny fikirakirana ny raharaham-pifidianana eo amin’
ireo samy mpiantsehatra voatondro ho amin’izany. Ny Ceni no tomponandraikitra ara-panjakana voalohany
amin’ny fanatanterahana fifidianana. Misahana indrindra ny lafiny ara-dalàna sy ara-teknika ary ara-pitaovana izy amin’izany. Ny FFKM kosa antsoina ho mpanelanelana mahay misoroka sy mandravona izay disadisa sy koron­tana mety hitranga. Manana andraikitra lehibe amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena sy amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana kosa ny firaisamonina sivily sy ny ONG.
Voka-pifidianana azo antoka no tanjona
Tanjona ny hahatongavana amin’ny voka-pifidianana azo antoka sy mangaraharaha ary eken’ny besinimaro. Nefa tsapa fa matetika misy fifangaroan’andraikitra sy/na fampifangaroana andraikitra eo amin’ireo vondron’olona voalaza eo amin’ireo mpiantsehatra voatanisa ireo, araka ny toerana sy ny andraikitr’izy ireo avy. Koa mety hiteraka tsy fifampitokisana ny fifanomezan-toky amin’izany.
“Amin’ny toe-java-misy iainantsika amin’izao fotoana izao, ilaina hatrany eo amin­tsika samy Malagasy ny fifanatonana sy ny fifampiresahana ary ny fifampihainona ho amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra iombonana”, hoy izy. Mila fanetren-tena anefa izany sy fahavononana an-tsitrapo ary fametrahana ho lohalaharana ny tombontsoa ambonin’ny firenena, indrindra eo amin’ireo samy mpanao politika.

R. Nd.

Partager sur: