Tantara an-tsary : maro ny mpanatalenta amin’ny fanaovana sary

Tontosa teny amin’ny Centre de Ressources des Arts Actuels de Madagascar (CRAAM), eny Ankatso, ny alarobia 12 avrily 2023, ny hetsika momba ny tantara an-tsary. Hetsika nokarakarain’ny ADMC-CRAAM sy ny Oni­versiten’Antananarivo, nanasan’izy ireo an’i Rolling Pen sy CatMouse, manana ny lazany eo amin’ny sehatry ny famoronana sy fanatontosana tantara an-tsary. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hampiroborobo ny sehatry ny tantara an-tsary. Tonga maro ireo mpanao sary, indrindra ireo maniry ny hisehatra eo amin’ny fanaovana tantara an-tsary, naka sy nandray ny torohevitra avy amin’ireto efa matihanina ireto.
Nizara sy nitafatafa tamin’ireo mpankafy sy liana tamin’ny tantara an-tsary, izay tonga teny amin’ny ADMC-CRAAM Ankatso, i Rolling Pen sy CatMouse. Anisan’ny sangany amin’ny fanaovana tantara an-tsary raha ny eto Madagasikara sy ny aty amin’ny ranomasimbe Indianina izy ireo. “Fa­nosehana sy fanomezana risi-po ho an’ny tanora manana talenta eo amin’io sehatra io no tanjon’izao hetsika izao “, hoy ny mpikarakara. Na­nambara ihany koa fa maro ny tanora manana talenta amin’ny fanaovana sary. Tafajanona fotsiny eo anefa izany fahaizany izany noho ny tsy fisian’ny lalana sy mpanoro lalana ho azy ireo. Nitafa sy niady hevitra tamin’izy ireo i Rolling Pen sy CatMouse. Nanoro sy nanome torohevitra ny hanatsarana ny talentan’izy ireo.
Ny tantara an-tsary “Tra­fika” no tena nahafantarana an’i Rolling Pen, raha ny “Ary” kosa no tena nahalalana an’i CatMouse. Maro ny sanganasa nampalaza azy ireo. Tany ivelany, indrindra tao Frantsa, aza ny sanganasan’izy ireo no tena nahitana ako miabo noho ny teto Ma­da­gasikara. Antenaina ny hi­si­an’ny hetsika sahala amin’itony matetika ho fampiroboroboana ny talentan’ny tanora.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: