Vono olona: jiolahy raindahiny voatifitra

Namoahan’ny polisy filazana fikarohana, maty rotiky ny bala tetsy Ankazomanga ny jiolahy iray nitondra antsilava, afakomaly alina. Nam­pihorohoro olona maro eny amin’ny manodidina an’i 67 Ha sy Ankasina iny ity jiolahy ity. Tsy vitan’ny manendaka an-dalambe miaraka amin’ny fitaovam-piadiana toy ny zava-maranitra izy. Mamaky trano ary mamono ho faty ireo olona anaty tokantrano sendra manohitra azy mihitsy. Vo­katr’io fampihorohoroana miseholany ataony io, namoahan’ny polisy filazana fikarohana izy saingy mbola izao nanao ny asa ratsiny izao hatrany. Nandritra ny fisafoana alina tampoka nataon’ny mpitandro filaminana eo anivon’ny SAG, nifanehatra tampoka tamin’ity jiolahy raindahiny ity izy ireo. Raikitra ny fifanenjehana. Nitondra antsilava io olon-dratsy io ka mbo­la nikasa hanohitra ny polisy hisambotra azy ihany. Maty vokatry ny tifitra nahazo azy ity jiolahy ity. Latsaka teny aminy taorian’izay ny antsibe.

Tsiferana R.

Partager sur: