Barthes Trophy – U20 : hihaona i Tonizia sy i Madagasikara

Ny ekipam-pirenen’i To­nizia no hifanandrina amin’ny Makis an’i Madagasikara, man­­dritra ny andro voalohan’ny fifanintsanana “Bathes Trophy 2023”, taranja rugby, sokajy zandriny (U20) lehilahy. Fi­faninanana hotanterahina any Nairobi Kenya, ny 22 hatramin’ny 30 avrily ho avy izao. Marihina fa hanomboka amin’ ny 2 ora any Kenya ny lalaon’ ny roa tonta. Ankoatra izay, miisa valo ireo firenena mandray anjara, anisan’izany i Madagasikara, Tonizia, Kenya, Zambia, Zimbaboey, Côte d’Ivoire, Namibia, Ounganda. Ny ekipan’i Zimbabwe sy i Côte d’Ivoire no hanokatra ny lalao voalohany amin’ity fifaninanana ity.
Tsiahivina fa tamin’ny taona 2019, norombohan’ny Makis kely ny amboaran’i Afrika “Barthes Trophy”, saingy ny andiany 2020 dia fandresena tokana nanoloana an’i Zambia ihany no azon’ny Makis nandritra ireo lalao telo nataony.

Fitia (Mpianatra asa)

Fandaharan-dalao Bathes Trophy :
Lalao 1 :
Zimbaboey vs Côte d’Ivoire
Lalao 2 :
Namibia vs Zambia
Lalao 3 :
Madagasikara vs Tonizia
Lalao 4 :
Kenya vs Ounganda

Partager sur: