Mpahay kanto, nitondra avo ny haikanto malagasy teo amin’ny sehatry ny fanenomana i Mme Zo. Natao izao hetsika fahatsiarovana azy izao ho fampahafantarana ny sanganasany sy ho fahatsiarovana azy.
Hotanterahina ny 28 hatramin’ny 30 avrily 2023, eny amin’ny toerana vaovaon’ny Fondation H, eny Ambatomena, ny fampirantiana “Bientôt, je vous tisse tous”, hetsika natao hahatsiarovana an-dRazakaratrimo Zoarinivo na Mme Zo. Fotoana ihany koa hisokafan’ity foibe toerana vaovaon’ny Fondation H ity ho an’ny daholobe. Efa vonona ary efa eto an-toerana avokoa ireo mpahay kanto vahiny nafarana hanara-maso izao fampirantiana izao. Ao anatin’ny fanomanana ny toerana sy fametahana ireo sanganasan’i Mme Zo kosa ireo tomponandraikitra amin’izany.
Miroso miandalana ny fanomanana ny hetsika fahatsiaraovana an-dRazakaratrimo Zoarinivo, Malagasy nalaza teo amin’ny sehatry ny fanenomana. Ny taona 2020 izy no nandrombaka ny “Prix Paritana”, saingy indrisy fa fotoana vitsy taorian’izay dia nodimandry. Nataon’ny tomponandraikitry ny Fondation H izao hetsika izao ho fanomezam-boninahitra sy ho fahatsiarovana azy. Mme Zo izay tsy afaka nisitraka akory ny tombony azony tamin’ny naha mpandresin’ny fifaninanana “Prix Paritana” azy. Anisan’ny vahiny nitolagaga tamin’ny haikanto nataon’i Mme Zo i Hassanein Hiridjee, talen’ny Fondation H, antony ihany koa nanaovana izao hetsika lehibe izao.
Haikanto maherin’ny 80, nataon’i Mme Zo no hiranty amina toerana 900 metatra toradroa, amin’ireo fotoana ireo. Mpahay kanto maro, efa amin’ny lafiny fanenomana no hifarimbona ao anatin’izao hetsika fahatsiarovana an’i Mme Zo izao.
Haneho ny kantony miainga amin’ny haikanto navelan’i Mme Zo izy ireo. Anisan’ izany i Masami, mpahay kanto japoney, sy i Grace Dorothée Tong, avy ao Cameroun ary i Amina Agueznay avy atsy Maroc.
Lin (Mpianatra asa)