Fanitsiana ny “code minier” : vahaolana sy fanamby avy amin’ny fanjakana

Nasiana fanitsiana ny lalàn’ny « code minier » taorian’ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra, ny talata teo. “Mikasa ny hametraka rafitra ara-dalàna mba hahatonga ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ho fanohitry ny fampandrosoana an’i Madaga­sikara ny fitondram-panjakana malagasy”, araka ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra hatrany. Notsipihiny fa ny fanitsiana ny “code minier” dia vahaolana avy amin’ny fitondram-panjakana malagasy manoloana ireo olana sy fanamby vaovao eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Misy, araka izany, ny fepetra vaovao hampifanarahana ny lalàna misy eto amintsika amin’ny fomba fanao tsara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsiahivina fa novaina manaraka ny lalàna 2005-021, tamin’ny 17 oktobra 2005, izany. Hita tokoa mantsy ny fetran’ny rafitra napetraka indrindra manoloana ny andrasan’ny fanjakana ny vondrom-bahoaka eny ifotony sy ireo mpandraharaha eo amin’ity sehatra ity.

Henintsoa H.

Partager sur: