Nihaona tamin’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny lavanila ny filoha Rajoelina Andry, omaly, tao Sambava. Nivoitra tamin’izany ireo fepetra sy ny fijerena manokana ireo tantsaha, mba hahazoan’izy ireo tombony.
Nitafa mivantana tamin’ ireo rehetra tafiditra amin’ny seha-pihariana lavanila ny Filoha sy ny Praiminisitra. Nohenoina avokoa ireo hetaheta sy olana ho an’ ny mpamokatra, ny mpandraharaha ary koa ny sehatry ny fanondranana. Mazava ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry tamin’izany. “Tsy maintsy arovana ireo tantsaha mba tsy ho kivy izy ireo”, hoy izy. Notsiahiviny anefa fa efa nirosoana ny fanalalahana io sehatra io matoa naka ny fepetra sy nametra ny vidin’ny lavanila farany ambany eny amin’ny tantsaha ny fanjakana. Tahaka izany koa ny namerana ny vidiny miondrana any ivelany. Fiarovana ny tantsaha izany mba hahatsara ny tombony ho azy ireo, araka ny nambarany. Natao loabary an-dasy nomena fitenena avokoa ny rehetra tamin’izany ka notsindrin’ny Filoha fa tokony hazava ny hevitra amin’ilay fanalalahana io sehatra io.
Fifampitokisan’ny mpandraharaha sy ny fanjakana
Anisan’izany ny fanomezana fahazoan-dalana ireo mpandraharaha vonona ny hividy ireo tahirim-bokatra. Tsy maintsy apetraka koa ny fepetra amin’ny famerenana ny vola vahiny, miaraka amin’ ny fifampitokisana eo amin’ny mpandraharaha sy ny fanjakana. Hapetraka ny laboratoara fitiliana ny lavanila. “Atao ny fomba hanamorana ny fanondranana ary hojerena isan-tokony ny sakana rehetra”, hoy ihany izy. Nanteriny fa afaka mametraka dosie manomboka izao ireo tsy mbola nahazo fankatoavana ka hapetraka ny vaomiera iraisan’ny minisiteran’ny Varotra sy ny Prezidansa handinika izany. Hivaly ao anatin’ny 48 ora izany ka tokony hisitraka fahazoan-dalana avokoa ireo tsy nahazo izany teo aloha. “Fanalalahana izany ary malalaka koa ny fanondranana. Hamoraina sy hamaivanina ny fanomezana ny fahazoan-dalana… Hametraka ny fepetra anatin’ ny fanalalahana isika…”, hoy ny filoha Rajoelina.
Ankoatra izany, nambarany fa hisitraka fanaovana “Scanner” ireo 60 taona noho miakatra ary hahazo Lycée ny ao Sambava. Notoloran’ny Filoha 20 tapitrisa Ar ireo zokiolona. Samy nomena moto avokoa ireo lehiben’ny boriborintany sy ireo ben’ny Tanàna rehetra any Sava.
Navoaka ny fonja ireo roa lahy
Nanafatrafatra ny Filoha ny amin’ny tokony samy hanajan’ny tsirairay ny safidiny. Tsy tokony hidiran’ny resaka foko na fiaviana sy loko izany ary tsy tokony ho tonga amin’ ny herisetra, araka ny nambarany. Nomeny toromarika avy ny minisitry ny Fitsarana hamoaka any am-ponja ireo roa lahy, namono ilay mpitondra bajaj, nanao akanjo vonimboasary, herinandro vitsy lasa. “Mpamela heloka isika”, hoy ny Filoha. Nampanantena ny hividy bajaj ho an’ilay voadaroka ny tenany avy eo ka tsy ho mpanofa izany fitaovana izany intsony, amin’ny fitadiavam-bola ataony.
Tsiahivina fa feno hipoka tanteraka ny gymnase tao Sambava tamin’izao fihaonan’ ny filoha amin’ireo vahoaka any an-toerana izao.
Synèse R.