Nalain’ny mpanampy an-trano an-tsokosoko ny fanalahidin’ny tranon’ny mpampiasa azy teo aloha, tetsy Soamanandrariny, ary nangalariny ny vola 20 tapitrisa Ar ny alatsinain’ny Paska lasa teo. Nilaza hanambady ity tovovavy mpanampy ity ka niala tao amin’io trano niasany io ny janoary teo. Nentin’ny fahatokisana, tsy nanova ny fitoeran’ny fanalahidin’ny trano ireo mpampiasa azy teo aloha. Nandeha nitsangatsangana niaraka tamin’ny fianakaviany anefa ny tompon-trano nandritra ny fetin’ny alatsinain’ny paska. Niverenan’io vehivavy mpanampy teo aloha io ny trano. Nalainy ny vola mitetina 20 tapitrisa Ar. Ny talata maraina, hatairana ny an’ny tompon-trano nahita ny fitoeram-bola tsy nisy na inona na inona intsony. Nanatona ny mpitandro filaminana avy hatrany izy ireo. Natao ny fanadihadiana. Vokany, sarona teny Analamahitsy ilay mpanampy sy ny sakaizany niaraka tamin’ny vola 17 tapitrisa mahery kely. Noraisim-potsiny tao amin’izy ireo koa, ny fitaovam-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro sy finday. Niaiky heloka ireto mpifankatia voasambotra ireto.
Tsiferana R.