Harena an-dranomasina : nitsangana ny tetikasa “Îles Barren”

Hikajiana ny tontolo iainana an-dranomasina sy hampaharitra azy. Hampiakarana ny fari-piainan’ny mpanjono ma­dinika, ireo no tanjona napetraka amin’ny fanaingana ny tetikasa “Îles Barren” ao am­pitan’i Maintirano sy ny ao amin’ny “Réserve de Biosp­hère” Tsimanampetsotse Nosy Ve-Androka. Omaly, nisy ny atrikasa momba ireto tetikasa roa lehibe ireo izay iarahana amin’ny WWF sy ny Blue Ventures. Aharitra dimy taona ity tetikasa ity izay vatsian’ny Green Climate Fund sy ny Blue Action Fund. Manome tahan-tsoroka teknika amin’ireo mpiara-miombon’antoka ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny mini­si­teran’ny Tontolo iainana ham­pahomby izany. Nanoka­tra izany tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena manga, Maha­tan­te Paubert, notronin’ny so­lontenan’ny avy amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. Tao ihany koa ny avy amin’ny firahamonim-pirenena, ny avy amin’ny WWF sy ny Blue Ventures. Natao izao hahafahana manova ny tantaran’ny jono sy ny fikajiana ny zava-boahary amin’ireo toerana roa ireo.

Henintsoa H.

Partager sur: