Misondro-bidy hatrany: tafakatra 4.100 Ar ny kilaon’ny vary gasy

Tao anatin’ny tapa-bolana, indroa niakatra sahady ny vidim-bary. Teo aloha raha 4.000Ar ny kilaon’ny vary eto an-toerana, misy sahady ireo mivarotra izany ho 4.100 Ar ny vary mena.

Tao anatin’ny herinandro vitsy, tsy mitsaha-miakatra ny vidim-bary eto amintsika. Ankehitriny, tafakatra 4.100Ar ny kilaon’ny vary gasy mena “Tsy mbola midina ny vidim-bary amin’izao na dia efa tafiditra anatin’ny vanim-potoana fararano aza isika”, hoy ny fanazavan’ny mpamongady iray etsy Andravoahangy. Notohizany fa misy mpandraharaha manararaotra, antony mahatonga ity vidim-bary mampikaikaika ny rehetra ity. Ankoatra izay, mbola anisan’ny mampiovaova ny vidim-bary ihany koa ny fanararaotana ataon’ny mpivarotra. “Ao anatin’ny iray andro monja dia miova ny vidin’entana. Tsy fantatray mazava ny antony fa dia izahay mpanjifa foana no voa mafy sy iharan’izany”, hoy ny renim-pianakaviana iray. Araka izany, manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ny mpivarotra, ny olon-tsotra, mba hijery akaiky sy hanara-maso ny zava-misy.

Potika ny lalana

Anisan’ny mampiakatra ny vidim-bary voalohany eto amitsika ny haratsian’ny lalana. Miharatsy sy potika avokoa ny ankabeazan’ireo la­lam-pirenena ka sarotra ny fampiakaram-bokatra. Eo iha­ny koa ny fidangan’ny vidin-tsolika. Voatery miakatra ma­naraka izay ny saran’ny fitateran’entana. Ankoatra izay, tsy mbola tafakatra ihany koa ny vary vakiambiaty, izay tena be mpamboly sy andrasan’ny mpanjifa amin’izao fotoana izao. Mampikaikaika ny maro anefa ity vidim-bary tsy mitsaha-miakatra ity. Tsiahivina fa vao herinandro vitsy lasa izay, 4.000Ar ny kilaon’ny vary gasy eny amin’ny mpaninjara raha toa ka 1.150Ar ny kapoaka. Vary vokarina eto an-toerana ihany koa ireto miaka-bidy isan’andro ireto. Efa mihavitsy ihany koa ny tahiry amin’ireo vary nafarana eny amin’ny mpamongady noho ny vokatra mbola tsy tonga.

Henintsoa Hani

Partager sur: