Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray tao Antanandava-Toamasina, sampanana mivily mankany amin’ny Lycée faharoa, omaly. Raim-pianakaviana iray nandeha bisikileta nipoitra avy any amin’ny sampanan-dalana handray ny RN2 no maty voatrongin’ny kamiaobe mpitatitra fasika sy vato. Nandriaka eran’ny arabe ny ra, niforitra mihitsy ilay bisikileta nandehanany. Efa ao amin’ny fokontany 11/58 Ankirihiry ny razana. Voalaza fa nandeha mafy ilay fiara kanjo nipoitra avy any ilay mpitondra bisikileta ka nifatratra tamin’ity kamiaobe ity.
Momba ny resaka fifamoivoizana hatrany, taorian’ny fisakanan’ny zandary ny tsy fahazoan’ny Bajaj mivoaka ivelan’ny renivohitra ny alatsinain’ny Paka teo, mandrahona ny hanao fitokonana faobe tsy hiasa izy ireo. Antony telo no mahatonga azy ireo hanao fitokonana : voalohany, noho ny halafon’ny patanty, faharoa mitaky ny fanesorana ny talem-paritry ny fitaterana ary ny fahatelo, fitakiana fanesorana ny filohan’ny ATT. Nandritra ny fivorian’ny OMC tao amin’ny Lapan’ny Faritra, afakomaly, nilatsaka ny baiko fa tsy maintsy atao vaindohan-draharaha ny fisavana moto. Hentitra, araka izany, ny fitsirihana ny antontan-taratasy hatramin’ny laharany. Voamarina fa betsaka ny tsy mifanaraka. Nanamafy ny zandary sy ny polisy fa ho fisorohana ny fivezivezen’ny basy ny anton’izany rehetra izany.
Sajo/J.C