Voatendry ho talen’ny Office Malagasy du Droit d’Auteur (OMDA) Rarivojaona Joelinirina Nomenasoa. Ny didim-panjakana manendry mpiasam-panjakana, nivoaka nandritra ny filankevitry ny minisitra, natao ny alarobia 12 avrily 2023 teo, no mametraka azy eo amin’izany toerana izany. Izy, araka izany, no mandimby an-dRanjarivo Haja.
Manam-pahaizana manokana momba ny lalàna ity tale vaovao ity ary nandalina izany fianarana nataony izany hatrany ampitan-dranomasina. Ny taona 2011 izy no nahazo ny mari-pahaizana “Master II en Droit de la propriété intellectuelle” tao amin’ny Oniversiten’i Yaoundé, Cameroun. Maro ihany koa ny andraikitra notanany mifanaraka amin’ izany mari-pahaizana ananany izany. Tsy vahiny eo amin’ity sehatra ity izy satria efa niasa nandritra ny 13 taona teo amin’ izany sehatra izany.
Maro ny adidy sy andraikitra miandry ity tale vaovao ity, indrindra taorian’ireny disadisa nisy teo amin’ny mpanakanto ireny. Anisan’ny lehibe indrindra amin’ny andraikitry ny OMDA ny fiarovana ny mpamorona sy ny mpahay kanto samihafa, amin’ny lafiny rehetra. Anjarany ihany koa ny manatanteraka ny hetsika sy ny asa rehetra mety hampiroborobo ny fampandrosoana ny zavakanto sy ny kolontsaina ary mifandraika amin’ny fananana literatiora sy ara-java-kanto.
Araka ny didim-panjakana laharana 1984-389, ny 13 novambra 1984, mamaritra ny fananganana ny OMDA. Ao amin’ny andalana faha -14, ny tale dia sady tsy mpanoratra no tsy mpamoron-kira fa tendrena amin’ny alalan’ny didim-panjakana momba ny tolo-kevitry ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Tapitra amin’ny endrika mitovy amin’izany ihany koa ny asany. Araka io didim-panjakana io ihany, ao amin’ny andalana faha -15, manana fahefana feno mba hiantohana ny fampandehanana ny OMDA ny tale.
Lin
(Mpianatra asa)