Sady tsy hajaina no tsy iainana: nilaozan’ny Malagasy ny momba azy rehetra

Miaina ao anatin’ny mandeha ho azy ny Malagasy. Na, jambenan’ny fiainana mafy ka tsy mahita zavatra hafa. Toa tahaka ny anio ihany ny hiatrehana ny ampitso. Tsy tsapan’ny Malagasy fa miala miandalana amin’ny lamina voajanahary izy. Miala tsikelikely amin’ireo maha izy azy. Tsy fantany intsony ny momba azy. Mety ho fantany ihany koa anefa, saingy, tsy omeny lanja intsony satria heveriny ho zava-bitika manoloana ny tranga hafa.

Anisan’ny maha firenena ny firenena ny fananany ny teny, tany, finoana, tantara, ko­lontsaina, fomba amam-panao sy soatoavina. Maha­zendana ! Mihamaro ny fanentanana ny Malagasy hitia, hampiasa, hanaja, hiaina ny teny malagasy. Izany hoe, sady tsy tia no tsy manaja ary tsy miaina ny teny malagasy ny Ma­lagasy matoa mitombo isa tahaka izany ny fanenta­nana. Tranga mampivarahontsana satria tsy manaraka ny lalàna voajanahary intsony.
Anisan’ny naha lalin-tsaina sy naha fatra-pandinika ny Malagasy ny fampiasana ny teny malagasy amin’ny angano, ankifidy, ankamantatra, ankanonona, hainteny, ohabolana, kabary, raha ny nambaran’ ireo manam-pahaizana momba ny teny sy ny rohy mampifamatotra azy amin’ ny fivoaran’ny isam-batanolona ao anaty fiarahamonina. Ankehitriny, mihavery tsikelikely izany.
Firy amin’ny Malagasy ny mahafantatra ny tantarany ? Avy aiza izy ? Iza ireo nipoirany ? Aiza ny tanin-drazany ? Nanjary zava-bitika aza ireo ankehitriny. Very ny fototra. Lasa manaotao foana tsy mifanaraka amin’ ny maha izy azy intsony ny ampahana Malagasy miaina amin’izao vanim-potoana izao. Nohajaina sy nolalain’ ny Malagasy fatratra anefa ireny maha izy azy nolovainy tamin’ny teo aloha ireny mba hampirindra ny fiainany. Noho ny hasina ananany, ohatra, fady tanteraka ny mampiditra kisoa eo amin’ ny vohitra iray. Rehefa ha­maivanina ny tahaka izany, sady maty hasina ilay vohitra no maty hasina ihany koa ny tompony. Raha miparitaka ny toa io, ho faty hasina i Madagasikara sy ny Mala­gasy manontolo.

Mikorontana ny fiarahamonina

Tsy mahagaga raha nanjary mpihinana amam-bolony, mpandray an-tendrony, tsy ampy fandinihana, mpanaotao foana ny Malagasy sasany, satria banga ireo mamolavola ho olom-banona. Anisan’ireny ny teny malagasy, ny tantara, ny fomba, ny soatoavina, sns. Vokany, mikorontana ny fiarahamonina satria ilay lamina voajanahary mihitsy no tsy ankatoavin’ny Malagasy sasany intsony ny fisiany.
Fahiny, ny zanaka no harena. Goavana be tamin’ ny Malagasy io fitohizan’aina io. Nitandrina fatratra ny ray aman-dreny sy ireo ma­niry ny hivady mba ho tena fototr’olona ity hanome taranaka azy ireo. Ankehi­triny, voasakan’ny resa-pivavahana (na finoana) ny olona na ny fianakaviana tokony hi­kambana. Tsy mitovy, hono, ny finoana ka aleo tsy ha­kambana ny ankizy !

… Satria nilaozan’ny Malagasy ny momba azy, nanjary ireo vahiny sy ny momba azy ireny indray no tonga fitaratra ho an’ny Malagasy. Tsy mirindra in­tsony ny fiarahamonina ma­lagasy noho ny halatahaka be fahatany. Fihinanana amam-bolony. Fiankinan-doha lava amin’ny any ivelany…

Tsy tokony hifampiandry ny fanarenana ny lesoka. Ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay ihany no vahaolana haingana sy mahomby.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: