Slam – Fiadiana ny tompondaka eran-tany : “Vonona ny hanome ny tsara indrindra aho”, hoy i Hichim

Hotanterahina any Paris, Frantsa, ny 15 hatramin’ny 20 mey 2023, ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin’ny “Slam Poèsie”. Mi­solo tena ny Malagasy amin’ izany i Abdoul Anlim Abdil­lah, fantatra amin’ny anarana entiny miantsehatra hoe Hi­chim. Efa vonona tanteraka ity solontena malagasy ity. “Tsy ataoko mahakivy ahy izay mpandray anjara hifaninana amiko amin’io fiadi­ana ny ho tompondaka eran-tany io fa vonona aho hanome ny tsara indrindra avy aty amiko”, hoy i Hichim, mpandresin’ny “Slam national 2022”.

“10 andro niainana fiainanana niavaka. Nifanaka­lozana traikefa tamin’ireo mpanao Slam namana, na­hazoana fahaiza-manao vao­vao avy amin’i Clotilde de Brito, izay vahiny manam-pahaizana eo amin’ny Slam, nasain’ireo mpikarakara ho an’iny andiany iny. Naha­finaritra ary tena nitondra vokatsoa nahafahana nana­tsara ny fahaizana sy fiangaliana ny Slam ny fifaninanana ‘Slam national 2022”, hoy i Hichim. Efa ny volana janoary 2023 no efa lasa tany amin’ny mpikarakara ireo lahatsoratra 6 hoentiny mandray anjara amin’ny fifaninanana. Marihina fa amin’ ny tenin’ny firenena soloiny tena no anaovan’ny mpifaninana tsirairay avy ny fandraisan’anjarany mandritra ny fifaninanana. Tsy maintsy asiana dikan-teny frantsay sy anglisy kosa anefa izany. Amin’ny teny malagasy, araka izany, no hanaovan’i Hichim ny fandraisan’anjarany mandritra ity fifaninanana eran-tany ity. “Fantatro ary tena tsapako hatramin’ izay fa mahay ny mpanao Slam malagasy. Hoporofoi­ko amin’ny mpanao Slam eran-tany izany mandritra io fifaninanana io”, hoy i Hichim.

Efa manana ny maha izy azy na dia mbola tanora aza i Hichim eo amin’ity sehatra ity. Nisongadina hatrany izy nandritra ny fifaninanana, izay natrehiny teto an-toe­rana. Anisan’ny sanganasa nampalaza azy ihany koa ny “Bout du pas pieds”, asa soratra mirakitra ireo haikanto nataon’ity kala­zala­hin’ny Slam malagasy ity.

Lin(Mpianatra asa)

Partager sur: