Notontosaina nanomboka ny alatsinainy 10 avrily, tany Washington ny “Spring Meetings”. Fivoriam-be isan-taona fanaon’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena miaraka amin’ireo mpiara-miasa sy mpifanaraka ara-bola aminy rehetra. Nandray anjara amin’izany ny firenena malagasy izay tarihin-dramatoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola sy Andrianarivelo Aivo, governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Tanjona napetraka amin’ity fihaonana ity ny fitadiavana vahaolona amin’ny fivoahana amin’ny fahantrana. Ao koa ny fanentanana ny firenena tsirairay hiara-hitady hevitra amin’ny fampandrosoana ara-ekonomika maneran-tany. Araka izany, niarahaba ny firenena malagasy ramatoa Kwakwa Victoria, filoha lefitry ny Banky iraisam-pirenena ho an’ny faritra atsinanana sy atsimo atsinanan’i Afrika tamin’ny ezaka vitany. Na teo aza ny rivodoza sy ny loza voajanahary dia mahavelombolo ny fiakaran’ny harinkarena malagasy. 4,4% no tanjona napetraka tao amin’ny lalàna mifehy ny tetibola 2022. Nahatratra 5,7% kosa ny taha fiakaran’ny harinkarena tratran’i Madagasikara, na teo aza ny fiakaran’ny vidin-tsolika teo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Marihina fa miatrika ny fiakaran’ny vidim-piainana ihany koa ny firenena malagasy nanomboka ny taona 2022. Etsy ankilany, manampy antsika miatrika izany ny Banky iraisam-pirenena, amin’ny alalan’ny famatsiana ireo tetikasa sosialy mitentina 250 tapitrisa dolara, ny 6 febroary teo.
Henintsoa H.