Talatamaty : 5 lahy tratra nangalatra moto

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talatamaty, omaly, ireo dimy voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra moto. Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, nikasa hivarotra moto tsy misy taratasy teny amin’iny faritra Talata­maty iny ry zalahy. Efa nahazo angom-baovao mialoha anefa ny zandary ka nametraka ny paikady rehetra hahafahana misambotra azy ireo. Norai­sim-potsiny izy ireo niaraka tamin’ny moto Scooter roa. Nilaza ry zalahy nandritra ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny zandary fa nangalarina teny Anosiala Ambohi­dra­trimo ireto moto ireto. Noka­saina hamidy teo Talatamaty izy ireo kanjo izao tratran’ny vela-pandriky ny zandary izao. Ao anatina tambajotran-jiolahy mpangalatra moto ireto jiolahy ireto, raha ny tatitra nampitain’ny zandary hatrany. Miantso ny tompon’ireo moto ny zandary mba hanatona ny birao haka ny fananany.

J.C

Partager sur: