Ho an’ny tanora sy ny mpianatra latsaky ny 35 taona. Mampanao fifaninanana tononkalo mifandraika amin’ny lohahevitra : « Ny tontolo iainana, tara-kevitra : Tany, Rano, Ala » ny fikambanana Satrana miara-miasa amin’ny Vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco. Tsy voafetra ny isan’ny andinin’ny tononkalo hifaninana. Atao manara-drafitra, manaja ny fitsipi-panoratana. Tsy atao teny mifangaro. Tsy mivaona amin’ny lohahevitra. Asiana dikan-teny malagasy kosa miaraka amin’ireo tononkalo amin’ny fiteny vahiny. Sanganasa tsy nadika na nalain-tahaka no takiana amin’ny mpifaninana. Aterina ao amin’ny Vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco etsy Behoririka, na alefa amin’ny mailaka : « nlhsatrana@gmail.com», manomboka ny 9 avrily ka hatramin’ny 21 avrily izao ny tononkalo hifaninana.
Loka maro samihafa no hozaraina ho an’ireo mpifaninana 10 manana ny sanganasa mendrika indrindra. Handrafetana ny boky « Tany, Rano, Ala », izay iarahana manoratra amin’ireo mpikambana ao amin’ny Satrana, ireo tononkalo voafantina rehetra. Havoaka mandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana ny 5 jona izao ity boky ity.
Anisan’ny fanentanana mahomby ho an’ny fampahatsiahivana ny hasarobidin’ny tontolo iainana ny fifaninanana tahaka izao.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto