A.Edi. M : Andiany faha-17 ny « Tsenam-boky »

«Ampitao amin’ny taranaka ny fahalalana. Vakio ny boky». Io ny lohahevitry ny «Tsenam-boky», andiany faha-17. Hetsika karakarain’ny «Association des Editeurs de Madagascar» (A.Edi.M), ny 17 avrily ka hatramin’ny 21 avrily izao, eo amin’ny zaridaina Ortana Antaninarenina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny lalana sy fanentanana momba ny tontolon’ny boky. Tafatafa amin’ny mpanoratra sy mpamoaka ary mpivaro-boky. Marihina fa isaky ny 23 avrily no hanamarihana ny Andro iraisam-pirenena momba ny boky sy ny zon’ny mpanoratra.
Ho an’i Madagasikara manokana, anisan’ny tontolo mbola ianjadian’ny olana goavana ny rohim-boky. Fiatrehana ny dika mitovy sy ny halatahaka. Tsy fanajana ny lamina na ny lalàna misy amin’ny famoahana boky. Ny lanjan’ny boky manoloana ny fandrosoan’ny teknolojia hafa tahaka ny firoboroboan’ny tambajotran-tserasera isan-karazany. Tsy fampiasana firy intsony ny boky any an-tsekoly. Fahasarotana sy fahalafosan’ny sandan’ny famoahana boky, sns.
Nanomboka ny taona 1975, tsy nozarina hamaky boky intsony ny Malagasy, hany ka noraisiny ho sazy sy fanomezana fahasahiranana ho azy ny fitenenana hoe : «mamakia boky» !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: