Alahady faha-3 : sokafan’ny Jazz Club CGM/GZ ny sehatra

Isaky ny alahady faha-3 ao anatin’ny volana iray, mihaona sy manome sehatra ny mpitia jazz ry zareo ao amin’ny Jazz Club CGM/GZ. Hotan­terahina rahampitso, ao amin’ ny Cercle Germano-Mala­gasy/Goethe-Zentrum, toha­tohabaton’Antaninarenina izany ho an’ity volana avrily ity. Hosokafan’izy ireo ho an’ny talenta vao sy ireo liana amin’ny jazz ny sehatra. Fifampizarana, fifanakalozana eo amin’ireo efa manana traikefa matanjaka sy ireo vonona ny handalina. Fifam­pitafana mivantana, sns.
Marihina fa anisan’ny namolavola talenta sy mpilalao jazz maro ny Jazz Club CGM/GZ. Manana mpikambana natao ho zoky mpitari-dalana rahateo ry zareo, hany ka mora kokoa ho an’ireo liana ny mampivelatra ny talentany ao amin’izany Jazz Club izany.
Raha tsiahivina, ry zareo ireto no mikarakara ilay hetsika goavana be «Jazz@Toha­tohabato», fanao isan-taona, eo Analakely. Seho an-tsehatra lehibe hanasana mpilalao jazz avy any ivelany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: