Miseholany amin’ny faritra maro ny fitsaram-bahoaka. Ny alin’ny alakamisy hifoha omaly zoma, jiolahy iray indray no notaperin’ny fokonolona ny ainy, tao Ambatondrazaka.
Niharan’ny hatezeram-bahoaka, potiky ny tora-bato sy ny daroka nataon’ny fokonolona ny jiolahy iray tamin’ireo dimy nanafika tao Menaloha, kaominina Ambohitsilaozana, Ambatondrazaka, afakomaly. Dimy lahy ireo olon-dratsy no nanafika tokantranona mpandraharaha iray, io alin’ ny alakamisy io. Niditra an-keriny izy ireo. Mpivaro-bary ity lasibatra ka nofoanan’ireo jiolahy ny vola nitentina 1 tapitrisa Ar. Niaro tena ny raim-pianakaviana ao amin’ny tokantrano voaroba kinanjo nodarohan’ ireo tsy mataho-tody. Nirifatra nandositra ireo dimy lahy taorian’ny fangalarana. Ren’ ny manodidina ny zava-nitranga ka raikitra ny fifanenjehana. Tsy lasa lavitra, tra-tehaky ny fokonolona ny iray tamin’ireo jiolahy ireo. Avy hatrany, nidaroka sy nitora-bato io iray tamin’ireo olon-dratsy io ny mponina manodidina. Tsy namelan’ireto farany raha tsy tapitra ny ain’ity jiolahy ity. Tafaporitsaka ireo namany efatra hafa. Nidina ifotony nanao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Karohina ireo jiolahy efatra nandositra.
Tsiferana R.