Andro sisa hisaina dia higadona ny fifaninanana basikety “Mibala Tournament”, karakarain’ny ISPM (Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar). Fifaninanana hotanterahina ny 17 hatramin’ny 24 avrily ho avy izao. Hizara roa ny kianja handray ny lalao, araka ny fanazavana nentin’ny mpikarakara. Hisy ny lalao hatao ao amin’ny Espace Ravintsara Mahamasina. Hisy kosa ny hotontosaina ao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina kosa ny hanatanterahana ny famaranana izay tena hipoaka be, raha ny fanazavana hatrany. Hisy ny fifaninanana “Dunk” “3 points”, sy dihy, hampiavaka ity andiany voalohany amin’ny “Mibala Tournament” ity.
Nanamafy ny mpikarakara fa efa nahazo alalana tamin’ny Seksionan’ny basikety Antananarivo Renivohitra izy ireo amin’ny hanatanterahana ny hetsika ary hizotra araka ny tokony ho izy izany. Hanana mpitsara ofisialy sy manaraka ny fenitra ihany koa izy ireo, hitsara ny lalao rehetra.
Ekipa 30 hifaninana
Araka izany, efa fantatra avokoa ireo ekipa handray anjara. 30 ireo ekipa nisoratra anarana, avy amin’ireo Oniversite eto Antananarivo sy ny manodidina. Ahitana sokajy lehilahy 20, raha 10 kosa ny sokajy vehivavy. Tsy misy solontena avy any amin’ny faritra. Efa vita ny fizaram-bondrona ka nozaraina ho vondrona 4 ny lehilahy ary vondrona 2 ny vehivavy. Hanomboka amin’ny 8 ora maraina ny fifanintsanana mandritra ny 5 andro ary hifarana amin’ny 4 ora tolakandro. Hiditra amin’ny dingana ampahavalon-dalana sy ampahefa-dalana, ny andro faha-6 ary ny alahady 23 avrily ny famaranana.
Mi.Raz