Hojerena akaiky ireo entana miditra sy mivoakan’i Madagasikara. Hofantarina ireo akora simika “hydro chlorofluorocarbure” (HCFC) manimba ny sosona “ozone” sy ny olombelona. Hahafehy izany ny fampiasana ireo fitaovana manokana entina hamantarana ireo akora simika anaty fitaovana mandeha amin’ny herinaratra. Ireo no tanjona napetraka ho an’ireo mpiasa 27 nanaraka fiofanana etsy amin’ny biraon’ny fadintseranana malagasy, etsy Tsaralalana nandritra ny efatra andro. Niofana nanomboka ny talata ka hatramin’ny zoma teo ireo mpiasa ireo mba hahafantatra ny manodidina io akora simika io. 21 tamin’izy ireo dia mpiasan’ny fadintseranana malagasy avokora raha avy amin’ny tomponandraikitry ny tontolo iainana kosa ny enina hafa. Araka izany, matihanina amin’ny fitiliana ny fitaovana misy ny HCFC ireo mpiofana rehetra. Izy ireo no hisivana ny entana miditra sy mivoaka eto Madagasikara. Indrindra ireo akora mandrafitra ny fitaovana izay mampidi-doza ho an’ny tsirairay sy manimba ny tontolo iainana.
Voafetra
Misy ny fitaovana hampiasaina manokana hahafahana mamantatra ny entona misy ireo akora ireo. Hoferana manaraka izany ny entana afaka miditra eto an-toerana misy io entona io. “Ahitana azy ny vata fampangatsiahana sy ny “climatiseur” anaty fiara sy ao an-trano izay manimba ny fahasalaman’ny olona sy ny tontolo iainana”, hoy ny fanazavan-dRakoto Claude, tale misahana ny fampiroboroboana ny sehatry ny fikarohana sy ny fampidirana ny andry ho an’ny fampandrosoana lovain-jafy. Notohizany fa efa misy ny fikarohana mametra ny fanenana io HCFC io ary heverina fa misy ny efa mahasolo azy.
Tafiditra ao anatin’ny andiany faharoa ny drafitrasam-pirenena iarahan’ny fadintserana malagasy sy ny ministeran’ny Tontolo iainana ity tetikasa ity. Mbola hisitraka ity fiofanana ity ihany koa ireo mpiasa any amin’ny faritra hafa.
Henintsoa H.