Hihazo ny any amin’ny distrikan’Ambositra any indray ny filoha Rajoelina Andry sy ny delegasionina hotarihiny ,anio. Anisan’ny anton-diany any an-toerana ny fitokanana sy fanolorana ireo fotodrafitrasa maromaro any an-toerana. Anisan’izany ny fahavitan’ny fonjabe ao Ambositra, ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka sy ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny minisiteran’ny Asa, ny Fampanan’asa. Eo koa ny fitokanana ny EPP manara-penitra ao Alakamisy sy ny toeram-piantsonan’ny Taxiborosy ary ny kianja manara-penitra ao Ankorombe. Hihaona mivantana amin’ ireo vahoaka koa ny tenany amin’izany. Fanaporofoana izao fa tsy misy distrika hadino izany, amin’izao fitondrana Rajoelina izao, araka ny efa famerimberin’ny filohan’ny Repoblika.
Tsiahivina fa vao avy namaha ny olan’ireo mpisehatra eo amin’ny lavanila, tany Sambava, faritra Sava, ny filoha Rajoelina Andry, afakomaly. Izao izy hihazo ny any Amoron’i Mania izao indray, miaraka amin’ireo minisitra maromaro mpikambana eo anivon’ny governemanta.
Synèse R.