Manodidina ny 1093 ireo mpanao asatanana voaofana tamin’ny atrikasa “Intérêt National Prioritaire” (INP). Avy amin’ny orinasa THA (Textile- Habillements et Accessoires) sy mpanao asatanana maro samihafa izy ireo. Tanjona ny hahafahana mampandroso ny kalitaon’ny asatanana sy hampitomboana ny fahaiza-manaon’izy ireo.
Niompana betsaka tamin’ny asatanana misehatra amin’ny asa fandokoana natoraly toy ny lamba landy sy rafia ny fiaraha-miasa teo amin’ny GEFP sy ny FMFP ary ny minisiteran’ny Asatanana sy ny haitao nandritra izany. Maro ny akora natoraly eto amintsika azo ampiasaina amin’izany. Toy ny tamotamo, ny dingadingana, ravimboafotsy, kininina…
Sehatra ara-dalàna
2 Tapitrisa ireo mpanao asatanana ara-dalàna eto amin’ny Nosy, raha ny fikarohana nataon’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Asatanana sy ny asa. “Zava-dehibe ny fiofanana satria hahafahana manatsara ny kalitaon’ny asa sy ny fahaiza-manaon’ny mpiasa mba hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa”, hoy ny filohan’ny filan-kevim-pitantanana eo anivon’ny FMFP, Ramaroson Jean Michel.
Nohamafisin’ny minisitra fa efa miezaka ny fanjakana hampiditra ny mpanao asatanana ambiny ho eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny Cnaps nahafahana nanao izany. “Mbola hitohy ny atrikasa fampiofanana toy izao”, hoy ny filohan’ny GEFP, Rakotoarisoa Hery Lanto.
Tsiahivina fa naharitra 16 volana ny fampiofanana, nofaranana omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy. Novatsian’ny FMFP vola mitentina 300.000.000MGA.
Mino (mpianatra asa)