Hetsika « Tselatra » : lavo i Rostely, dahalo raindahiny

Rotiky ny balan’ny miaramila, avy ao amin’ny 3ème Compagnie d’infanterie Etro­troka, ny dahalo raindahiny atao hoe Rostely, tao amin’ny fokontany Ambohi­mi­rafy, kaominina Ambohi­man­droso, afakomaly. Ana­tin’ny hetsika « Tselatra » ataon’ny Tafika eo anivon’ireo fari-piarovana rehetra manerana ny Nosy ity nahalavoana an’i Rostely ity. Niampy ny isan’ny mpitandro filaminana naparitaka eny an-kianja. Manao ny fisafoana eny anelakela-trano sy ireo faritra voasokajy ho mena izy ireo amin’ny alina. Ho an’ity dahalo lavo ity, nikasa hanohitra ny mpitandro filaminana hisambotra azy izy ka izao maty voatifitra izao. Haharitra amam-bolana maro kosa ny hetsika « Tselatra ».

J.C

Partager sur: