Judo-Mada 2023: hiakatra kianja, anio, Rasoanaivo Razafy Laura

Nanomboka, omaly, etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy rehetra, taranja Judo. Mpikatroka 400 manerana ny Nosy no mandray anjara.

Anio no hiakatra an-kian­ja ny laharana voalohany eran-tany, eo amin’ny sokajy Junior, latsaky ny 70 kg. Rasoa­naivo Razafy Laura. Ny sokajy Senior no hifaninanany amin’izany, hifanandrinany amin’i Isilo Aicha Chicas Debo­rah. Ady anisan’ny andrasan’ny maro ity fihaonana iray ity, taorian’ny vokatra tsara azon’ i Laura nisesisesy, teo amin’ny sehatra afrikanina.
Raha hiverenana ny fifaninanam-pirenena, nahatonga solontena avokoa ny ligim-paritra 8, eo anivon’ny federasiona malagasin’ny Judo. Nifaninana, omaly, ny sokajy Juniors sy ny Cadets, anio kosa ny sokajy Seniors sy Minimes. Nizotra ny tapany maraina ny fifanintsanana ary notontosaina ny tapany hariva kosa ny famaranana sy ny fizarana ny medaly.
Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny Judo, Bruno Eric Said, fa naroso mihitsy ny fiadiana ny tompondaka nasionaly, handrafetana ny ekipam-pirenena malagasy, ho fiatrehana ny lalao iraisam-pirenena ho avy rehetra, anisan’izany ny la­laon’ny Nosy.
Raha ny vokatra omaly, anisan’ny nisongadina ny fifandonana teo amin’ny sokajy Cadets, nifanandrinan-dRazafimanja Mandresy (ASM) sy i Minoantsoa (Esca), latsaky ny 73 kg. Nivoaka ho mpandresy tamin’izany i Mandresy. Teo ihany koa ny adin’i Tsirava­laza Armel (Asco) sy Said Jason (ASM), sokajy latsaky ny 81 kg, ka nahazoan’i Armel ny fandresena.

Mi.Raz

Partager sur: