Nifandona tamin’ny kamiao : maty ny mpamilin’ilay 4X4

Raim-pianakaviana efa lehibe 84 taona maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tao Anta­nandava, kaominina Fara­lana, anatin’ny RN5a, oma­ly tamin’ny 2 ora sy sasany. Fiara tsy mataho-dalana avy any Antalaha nikasa hihazo an’i Sambava ity tra-doza ity. “Tsy salama ny mpamily io fiara tsy mataho-dalana io”, hoy ny zandary lehiben’ ny vondron-tobim-pileovana ao Sam­bava, omaly. Araka ny fanazavan’ny olona tao anatin’ny fiara nentin’io raim-pianakaviana io, nihetsika tampoka teo am-pamiliana ny aretin’ity farany. Ta­min’io fotoana io anefa, nifanena tampoka tamin’ny kamiao lehibe mpitondra solika ny fiara ka nifandona ny lohany. Vokany, potika tanteraka ilay fiara 4×4. Maty tsy tra-drano ilay mpamily. Naratra ireo roa lahy niaraka taminy tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana. “Olona manaraka fitsaboana any an-trano io tra-doza io”, hoy hatrany ny zandary. Misokatra ny fanadihadiana.

Tsiferana R.

Partager sur: