Nikasa hamindra razana… : olona 3 sempotra maty tao am-pasana

Andro miditra! Olona telo indray namoy ny ainy vokatry ny famonjena olona telo hafa (vehivavy roa sy lehilahy iray) sempotra tao am-pasana tao Ambohimahasoa, omaly…

Nampivarahontsana! Lehilahy telo indray maty tao am-pasana tao Ambodihady Imasy, fo­kontany Andoharondra, kaominina ambanivo­hitr’Am­pitana, dis­trikan’Ambohimahasoa, omaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, nikasa hamindra razana natao anirotra ny fianakaviana iray ka nosokafana ny fasana lehibe hamindrana ny razana. Efa nosokafana elaela ity fasana lehibe hamindrana ilay razana ity. Nanararaotra niditra hanafy lamba ireo razana ao amin’ity fasana ity ny olona telo (vehivavy roa sy lehilahy iray). Torana tsy nahatsiaro tena avy hatrany anefa izy telo mianadahy ireo raha vantany vao tafiditra tao am-pasana hamono lamba ireo razana. Nahita izany ireo telo lahy tety ivelan’ny fasana dia niezaka nanavotra azy ireo kanjo ireo mpanavotra indray no maty tsy tra-drano tao am-pasana raha avotra soa aman-tsara kosa ireo navotana. Nialana nenina ihany ireo niharam-boina saingy tsy avotra intsony.
Voatery natsahatra ny famindrana razana…
Vehivavy iray mbola ma­naraka fitsaboana eny amin’ny hopitaliben’Ambohima­hasoa amin’izao fotoana izao. Araka ny fanazavan’ity vehivavy ity, toy ny mitsingevana ny tongony dia izay sisa no tsaroany farany ka torana avy hatrany izy taorian’izay. Tsy nisy sahy niditra tao am-pasana intsony ny fianakaviana noho ny tahotra. Voatery niantsoana olona mpitana ny fomban-drazana ny famoahana ireo namoy ny ainy tao am-pasana. Nisy koa ny fombafomba araka ny fanaon’ny olona amin’iny faritra iny rehetra misy trangan-javatra hafahafa miseho toy izao. Araka ny fizahana nataon’ny dokotera niaraka tamin’ny zandary, entona avy ao am-pasana no nitarika ny fahasemporan’ireo olona ireo. “Tsy maintsy sokafana elaela ny fasana vao azo idirana rehefa handevina na hamindra razana mba hiala ilay entona ao am-pasana iny”, araka ny fanazavan’ny dokotera. Manoloana ity raharaha ity, nanapa-kevitra ny tomponandraiki-panjakana ao an-toerana, fa natsahatra ny famindrana razana nokasaina hatao omaly. Ireo olona nikasa hamindra razana rahateo namoy ny ainy. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ity fahafatesana hafahafa ity.

Jean Claude

Partager sur: