Sasatry ny manarina sy mifona ary miala tsiny ireto mpitondra manohana ny Filoham-pirenena. Niteraka fahakiviana sy tabataba, omaly, ny kabary nataon’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, voafidy tany Antsiranana. Tsy hotaterina na averina eto izay voalaza mba ialana amin’ny fivoizana izay efa tsy nanjary nataony. Ny asiana tsindrim-peo kosa anefa, fomba fiady politika mivoy resa-poko sy fiaviana. Fomba fiadin’ny mpanao politika lany fika sy tsy mahavaha olana misy fa te hiala andraikitra izany.
Ora vitsy taorian’ny fitsaram-bahoaka tamin’ny tambajotran-tserasera anefa dia nanazava sy nialatsiny Ramatoa solombavambahoaka. Fialan-tsiny izay mbola nahabe resaka ihany koa satria toa nataony mivantana tamin’ny kaonty manokany fampiasan’ireo « facebookers » ny tandapa. Fihetsika izay te hilaza fa tsy vokatry ny fo sy fanaovana alasafay.
Toe-javatra azo nosorohina ireny ! Tsy tokony ho hadinon’ny mpanao politika fa zava-dehibe ny fahaizana mamadibadika ny lela rehefa hikabary. “Ny vava no tsy atao be dia ny mamerina azy no sarotra”, hoy ny Ntaolo. Izao sady afabaraka no mainka mamotika ny ho avy politikany. Ny zava-doza amin’itony, ilay Filoham-pirenena, nakanao « 19 » na noheverinao ho narovana no mainka manana sary miiba. Matoa manko Ramatoa depiote sahy manao ireny, mety ilay olona tohanany no tiatia zavatra toy izany.
Aiza moa amin’izao vanim-potoana izao, mbola atao fepetra fototra hanendrena olona iray amin’ny raharaham-panjakana ny fiaviana. Am-bava fotsiny ny hoe Malagasy iray ihany. Mahavariana ny filazana fa rehefa tsy zanaky ny faritra, tsy manana herijika mba hitondra anjara birikim-pampandrosoana amin’ilay toerana. Isika samy isika no mifanilika sy mifanavaka, hany ka zary vato misakana ny fandrosoana lovain-jafy tiana hapetraka.
Hamaranana azy, Nosy i Madagasikara, tsy afaka ny miolonolona isika. Mila mahay mifanaja ny mponina. Mila miray saina sy mifankatia. Tsy misy afaka ny hilaza fa mahavita tena. Tsy misy tompon’ny faritra izatsy na izaroa satria anisan’ny mponina tia mivezivezy sy mifindra monina, mila ravinahitra ny Malagasy.
r.r