Mikarakara hetsika ara-javakanto ho an’ny rehetra ny mpianatra mpikambana ao anatin’ny Association des Médiathèques Culturelles na ADMC eny Ankatso. Tanjona amin’izany ny hampiroboroboana ny hetsika ara-koltoraly eny amin’ny Oniversiten’Ankatso sy fampirisihana ny mpianatra eny hirotsaka eo amin’izany sehatra izany. Efa nisy ny hetsika natao ny alarobia lasa teo hisarihana ireo mpianatra. Ny tontolon’ny famokarana horonantsary eto an-toerana no natao tamin’izany. Nitondra ny resadresaka sy nitafa tamin’ny tanora mpianatra tamin’izany Razanajaona Luck sy Rakotovelo Hary Joel, izay samy misehatra eo amin’ny tontolon’ny famokarana horonantsary eto an-toerana.
Hitombo hatrany ary hiverina indray ny hetsika ara-koltoraly eny amin’ny Anjerimanontolo. Tsapa ny tsy fahampian’ny torolalana ho an’ny tanora na dia manana ny talenta sy ny fahaiza-manao ary izy ireo. Izany indrindra no nahatonga ny mpianatra mpikambana eo amin’ny ADMC, hikarakara ny hetsika. Olona matihanina sy manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatra misy azy no antsoina, hitafa sy hizara ny traikefa mahakasika sehatra iray. Nandritra ny hetsika voalohany, mpanatontosa sarimihetsika efa ela nikatrohana teo amin’izany sehatra izany sy tanora vao misandratra no nitafatafa tamin’ireo mpianatra.
Manomboka izao, araka izany, hanampy ny fampisehoana Slam ho an’ny eny amin’ny Oniversite, ity hetsika karakarain’ny ADMC ity. Maro ihany koa ny fikambanana ara-kolontsaina efa nentanina hoentina mampiroborobo ny kolontsaina sy ny zavakanto eo amin’ny Oniversite, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra.
Lin(Mpianatra asa)