Salon « International tourism fair Madagascar » : hametraka ny fizahantany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena

Hampiakatra indray ny tahan’ny mpizahatany sy hampiroborobo ity sehatra ity. Io ny tanjona hapetraka mandritra ny hetsika “International tourism fair Madagascar”, ny 15 ka hatramin’ny 18 jona ho avy izao.

Manana vina ny hampiakatra ny isan’ny mpizahatany, toy ny mialohan’ny taona 2019. Io no tanjona napetraky ny Offi­ce national du tourisme de Madagascar (ONTM) sy ny minisiteran’ny Fizahan­tany nandritra ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanohana ny “Salon Inter­na­tional tourism fair Mada­gascar” (ITM), omaly, teny Ivato. Hiavaka tanteraka ity hetsika andiany fahasivy ity, noho izy sambany nisy indray taorian’ireny krizin’ny Co­vid-19 ireny. Araka izany, hotontosaina eny amin’ny CCI Ivato, ny 15 ka hatramin’ny 18 jona, ny “Salon” ITM. Hivory mandritra ireo fotoana ireo ny mpikambana rehetra ao amin’ny “Iles va­nilles” eto amin’ny fari-dranomasina indianina. Hojerena ny tetikasa rehetra entina mampiroborobo ny fizahantany aty amin’ny fari-dranomasimbe indianina. Maro ihany koa ny lohahevitra horesahina mandritra ny efatra andro izay handraisan’ireo matihanina anjara hampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany.
Mivoitra
Anisan’ny sehatra ma­nampy ny nosintsika hiala amin’ny fahantrana ny fizahantany. Antony nahatonga ny lohahevitra hoe fizahantany lovain-jafy (durabilité et digitalisation dans le tourisme) ho an’ny hetsika ITM 2023. “Tokony hiroso amin’ ny fizahantany lovain-jafy ary tokony hanararaotra izany ny vahoaka malagasy”, hoy ny minisitry ny Fizahantany, Randriaman­dranto Joël. Ma­nankarena zava-boaary i Ma­dagasikara ary manana ny mampiavaka azy manokana ny nosintsika. Araka izany, resy lahatra ireo mpandraharaha vahiny tonga teto ta­min’ny herintaona ka nilaza fa azo handefasana mpizahatany eto Ma­dagasikara. Fan­tatra nandritra izay fa manakaiky ny isan’ny mpizahatany tonga teto tamin’ny taona 2019 sahady ny salan’isa voarain’ny mi­nisitera nanomboka ny volana janoary ka ha­tramin’ny volana marsa teo. Voalaza, omaly, ihany koa fa efa voafandrika avokoa ny 70%-n’ ny tranoheva handray anjara amin’ity “Salon Inter­na­tional tourism fair Mada­gas­car” ity. Mbola misokatra ihany koa ny fisoratana anarana amin’ireo rehetra liana sy handray anjara amin’ity hetsika ity.

Henintsoa Hani

Partager sur: