Nanaovan’ny polisy paikady, indray voasambotra ireo efa-dahy mpangalatra kojakojan’ny fiara eny amin’iny faritr’i 67 ha « Cenam » iny, omaly. Mampitaraina ny mponina ny fahaverezan’ny fitaovana anatin’ny fiara mipetraka eny an-toerana. Nanao fisafoana teny an-toerana, tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be fokontany, Antetezana afovoany I, ny lehilahy iray. Noraisim-potsiny teo am-panendahana akaikin’ny fanariam-pako Ambodin’Isotry ny telo lahy hafa. Nentina nihazo ny biraon’ny polisy CSP 4 ireto efa-dahy ireto ary hatao fanadihadiana alohan’ny hitondrana azy eny anatrehan’ny fampanoavana.
Iray nifanenjehana
Nifanenjehan’ny polisy, voasambotra koa ny lehilahy iray nanendaka teny Faravohitra, ny alakamisy 13 avrily teo. Tamin’ny 12 ora atoandro, nanendaka tovovavy iray mpandalo eny amin’iny faritra iny izy. Niantso vonjy ny lasibatra ka raikitra ny fifanenjehana. Lasan’ireo olon-dratsy ny finday. Roa lahy ireo mpanendaka niara-nandositra. Tsy lasa lavitra ny toerana nitrangan’ny fanendahana, voasambotra ny iray tamin’ireto mpanendaka ireto. Tafaporitsaka kosa ny namany. Ny telefaonina lasan’io iray afa-nandositra io. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny polisy. Nentina eny anivon’ny biraon’izy ireo kosa ilay mpanendaka iray tratra.
Jean Claude