Malagasy roa, mpiangaly ny taranja Surf (taranja lalaovina eny amin’ny onjan-dranomasina), hanaraka fiofanana any Dakar, ny 22 hatramin’ny 29 avrily izao.
Taorian’ny fandraisan’i Madagasikara anjara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika farany teo, taranja Surf, hiatrika fiofanana any Dakar indray ny Malagasy. Fiofanana natokana ho an’ny latsaky ny 18 taona, ka solontena malagasy roa amin’ny alalan-dRazanamalala Yollande sy Nomenisoa Sylvie no hanatrika izany. Amin’ny 20 avrily izao no hanainga izy ireo. Maro ny zavatra mbola tsy ampy, hoy ny filohan’ny federasiona malagasin’ny Surf, Roger Faustinato, omaly, tetsy Ivandry, ka mahatonga ny fampiofanana toy izao.
Mahakasika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, tany Agadir Maraoka, ny 1 hatramin’ny 5 marsa lasa teo kosa, tsy nitsanga-menatra ny Malagasy. Laharana faha-9 mitovy tamin’ireo mpifanandrina 4, izay samy nahazo isa 500 Andriantsoa Brice. Sambany nandray anjara voalohany tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena i Madagasikara saingy afaka nilahatra tsara tamin’ireo mpifanandrina. Somary nampitaintaina ihany ny fiatrehana iny fiadiana ny tompondakan’i Afrika tany Maraoka iny, hoy ity filohan’ny federasiona ity, izay tamin’ny ora farany vao lasa. Firenena 8 no nandray anjara tamin’ity andiany 2023 ity, nahazo voalohany i Maraoka, faharoa i Sénégal. Nampahatsiahivin’ny filohan’ny federasiona, efa nisy fampiofanana “level 1” tany Fort-Dauphin, teknisianina 10 no nanatrika izany, izay avy any Anosy, Analanjirofo, Atsimo Andrefana.
Ligim-paritra 3 (Atsimo Andrefana, Anosy, Sava) hatramin’izao no misy eo anivon’ny federasiona. Manodidina ny Lalaon’ ny Nosy, efa vonona ny atleta lahy sy vavy.
Mi.Raz