Fampisehoana fiarahana mifaly noho izay 20 taona niarahana izay no atolotry ny tarika AmbondronA ho an’ny mpankafy azy. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fanatanterahana izany.
Tontosa omaly, tao amin’ ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny resadresaka ho an’ny mpanao gazety, niarahana tamin’ny solontenan’ny tarika AmbondronA sy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, momba ny fampisehoana hataon’ny tarika AmbondronA, ny alahady 16 avrily 2023, manoloana ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Noresahina tao anatin’izany ny mahakasika ny fampisehoana sy ny lamina rehetra manoloana izany. Tafiditra ao anatin’ny famaranana ny faha-20 taonan’ny tarika AmbondronA ity hetsika ity. Natao maimaim-poana ihany koa, ho fisaorana ny mpankafy tao anatin’izay 20 taona niarahana izay. Eo ihany koa amin’ny maha tafiditra ao anatin’ny hetsika “Tsangantsangan’ Iarivo” azy, hetsika izay efa fanaon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ho an’ny mponina.
“Arabe” io no lohahevitra sy lohateny nampisalorana ity fampisehoana ity. Fisaorana ho an’ny mpankafy ny tarika sy ny mpankafy kanto rehetra no anisan’ny anton’izao hetsika izao. Nofidina manokana ny lohateny sy lohahevitra satria, voalohany indrindra, eny amin’ny arabe no hanaovana ny fampisehoana. Faharoa, hetsika natao hanampiana ny olona, indrindra ny ankizy, eny amin’ny arabe hiditra an-tsekoly. “Anisan’ny antony nanaovana ny hetsika ho ety amin’ny arabe ihany koa ny maha tokotany nilalaovana itony toerana itony. Tety no nahazoanay sy nanomboka nitondranay ny anarana AmbondronA”, hoy i Beranto, solontenan’ny tarika. Ankoatra ny tarika AmbondronA, hisy ny mpanakanto vao misandratra haneho ny talentany mandritra ny fizarana voalohan’ny fampisehoana. Mandritra ny fizarana faharoa sady farany kosa no hiara-paly amin’ny mpankafy sy ny mpijery azy ny tarika AmbondronA. Efa hisy ny fanentanana manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Amin’ny 6 ora hariva kosa no hifarana ny fampisehoana.
Hisy ny fandaminana atao
Manoloana izany, hisy ny fandaminana sy fandrindrana ataon’ny tomponandraikitra, mialoha sy mandritra ary aorian’ny fampisehoana. Ho an’ny filaminana manokana, hahatratra 800 ny mpitandro filaminana hahetsika mandritra ny fampisehoana, avy amina vondrona samihafa. Mahakasika ny fandrindrana ny fifamoivoizana. Ny alahady, manomboka amin’ny 9 ora maraina no tapaka ny lalana manoloana ny Lapan’ny Tanàna. Ny mpandeha an-tongotra ihany no afaka miditra eo amin’ny Araben’ny Fahaleovantena amin’io fotoana io. Ny ankoatra izay kosa, tsy maintsy mihodina sy manaraka ny fandaminana ataon’ny tomponandraikitra.
Lin (Mpianatra asa)