Ambovombe: tratra ireo malaso mpanafika sady mamono olona

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-pileovana Androy, tao Ambondro, distrikan’Ambo­vombe, ny sabotsy teo, ireo dahalo fito voarohirohy ho tompon’antoka tamina raharaha fanafihana narahina vono olona. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, anisan’ireo dahalo atidoha nikotrika ny famonoana an’i Manoanga tao Lamitihy, fokontany Ambon­dro, ireto dahalo ireto. Misy amin’izy ireo no ahiahiana fatratra ho nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana, misy ny mpiray tsikombakomba amin’ny fampandosirana sy fanafenana ireo olon-dratsy. Talohan’ny fisamboran’ny zandary ireo malaso ireo, basimborona roa, bala maromaro, odiratsy, fanamiana fitondra miady an’ny mpitandro filaminana, telefaonina roa sy akanjo norobaina taorian’ny famonoana no tratra tao amin’ny fokontany Am­pira, Ambovombe. Tsy tratra tao amin’ity tanàna ity kosa ny tompontrano nahatrarana ireo entana ireo. Mitohy, araka izany, ny hazalambo sy ny fika­rohana ataon’ny zandary amin’izay tompon’antoka ta­min’izao raharaha vonoan’olona izao. Nangataka fiaraha-miasa amin’ireo izay manana loharanom-baovao momba ireo dahalo ny zandary, mba hahafahana misoroka mialoha ny asa ratsin’ireny malaso ireny.

Jean Claude

Partager sur: