Antaninarenina : mirongatra ny fanendahana, tontakely roa voasambotra

Tratran’ny polisy, taorian’ny fifanenjehana teny Anta­ninarenina, omaly maraina, ny tontakely roa lahy malaza ratsy amin’ny harom-paosy. Polisy nanao fisafoana teny an-toerana no nanatonan’ny olona iray tratran’ny harom-paosy. Nilaza izy fa teo amin’ny zaridainan’Antaninarenina no nisy nangarona ny paosiny ka lasan’ireo olon-dratsy ny findainy sy ny kara-panondrony niaraka tamin’ny vola. Nohamafisiny tamin’ny polisy fa tadidiny soa aman-tsara ny endrik’ireo jiolahy. Nanao ny fikarohana avy hatrany ny polisy ka hita teny amin’ny manodidina an’Antaninareni­na ihany ireo jiolahy izay tsy nanampo na inona na inona. Rehefa nosavaina teny amin’izy roa lahy dia nahitana finday iray. Nentina teny amin’ny biraon’ny polisy ry zalahy ka natolotra ny polisy misahana ny ankizy ao Tsaralalana. Ny fanadihadiana no nahafantarana fa tsy vao izao izy roa lahy ireto no tratra manendaka toy izao fa efa hatry ny ela. Ireo va­zaha no tena lasibatr’izy ireo, ankoatra ireo olona mifamezivezy eny amin’iny faritra iny.

Jean Claude

Partager sur: