Saron’ny zandary nentina kamiao lehibe iray antsokosoko ny hazo sarobidy voamboana miisa 14, teo amin’ny Pk 176+200 , Vinaninkarena, Antsirabe, ny sabotsy 15 avrily teo. Nanararaotra ny andro maizina, nitondra ireto hazo sarobidy ireto ny kamiao lehibe izay mpitondra solika. Nafenin’ny mpamily tao anatin’ny kamiao ireo hazo. Efa nahazo loharanom-baovao avy tamin’ny mpiara-miasa aminy ireto zandary mpanao fanakanan-dalana ireto. Natao ny fisavana rehefa nandalo teo Vinaninkarena ny fiara. Voatsirika tao ambonin’ity kamiao be ity, ireto hazo sarobidy ireto. Nogiazana avy hatrany. Voararan’ny lalàna ny fanapahana azy ireny. Nentina natao fanadihadiana ary natolotry ny zandary ny tomponandraikitra misahana ny tontolo iainana ao Antsirabe ny mpamily ny fiara, niaraka tamin’ireo hazo sarobidy.
Tsiferana R.