Fanafihana tetsy Ambohimanambola: namoy ny ainy ny tompon-trano, voaroba ny 1 tapitrisa Ar

Naratra mafy, namoy ny ainy, omaly maraina, ny iray tamin’ireo olona roa naratra voatafika tetsy Ambohimanambola, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo.

Namoy ny ainy, omaly maraina, vokatry ny daroka nataon’ireo jiolahy ny raim-pianakaviana iray tompon-trano voatafika tao Ambohipeno ny alin’ny zoma teo. Tokantrano roa nifanao ambony ambany no indray norobain’ny jiolahy valo lahy nitam-piadiana, tetsy amin’ny fokontany Am­bohipeno, Ambohimanambola ny alin’ny zoma 14 avrily teo. Nirefodrefotra ny basy, niditra an-keriny avy hatrany ireo olon-dratsy. Olona roa ta­min’ireo monina anatin’ireo tokantrano ireo no voadaroka. Naratra mafy teo amin’ny lohany ny iray ka nentina nozairina tao amin’ny tobim-pahasalamana avy hatrany. Feno ratra vokatry ny daroka nahazo azy koa ny lehilahy iray hafa tao anatin’io trano voaroba io. Lasan’ireo tsy mataho-tody ny vola 1 tapitrisa Ar ka nirifatra nandositra izy ireo. Tsy nisy sahy nivoaka ny manodidina noho ny tahotra ny fipoahan’ny fitaovam-piadiana. Nigadona teny an-toerana nanao ny fanadihadiana ny zandary.

Nisaron-tava ny iray
Araka ny fitantaran’ireo voatafika tamin’ny zandary, iray tamin’ireo valo nanao fanafihana no nisaron-tava. “Nahazo loharanom-baovao ireto jiolahy fa misy vola 80 tapitrisa ao amin’io tokantrano io”, hoy ny zandary ao Ambohimanambola. Tsy nisy io vola voalaza io tao amin’ity tokantrano ity. Nampia­katra ny hatezeran’ireo jiolahy izany ka noratrainy tamin’ny “barre à mine” ireo lehilahy roa. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.

Tsiferana R.

Partager sur: