Nitokana fotodrafitrasa tany Ambositra ny filoha Rajoelina Andry niaraka
amin’ny rodoben’ireo depiote maherin’ny 80 ary ny mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta. Tanteraka any an-toerana ary vita ny Velirano miisa 13. Miisa enina ireo fotodrafitrasa notokanana tamin’izany ka anisany ny fonja, fitaleavam-paritry ny Minfop, polisim-pirenena, EPP, gare routiere, kianja manara-penitra. Ahitana fotodrafitsara ny miditra sy mivoaka ny tanàna. Nambaran’ny filoha fa maro ireo fotodrafitrasa vita. Mbola eo koa anefa ireo mbola tsy vita. “13 ny Velirano fa 13 ny fotodrafitrasa mifandraika amin’ izany naorina eto Ambositra. Miasa isika izao ary manamarika fa miray hina isika raha ny fahitana ny filohan’ny Antenimierampirenena sy ireo depiote izao. Manohana ny fampandrosoana avy amin’
ireo faritra manerana ny Nosy”, hoy izy. Nanteriny fa mila filoha manana fijery lavitra sy tia tanindrazana ny firenena amin’ny fahavitan’ny fonja. Natao hanitsiana ny olona meloka izany ka nametrahana trano fiofanana arakasa anatin’izany. Eo koa ny fametrahana toeram-pamokarana manokana 500 ha, ahafahan’izy ireo mamboly ho sakafo.
Fitaovana fanaraha-maso ireo gadra
Hapetaka amin’ireo voafonja koa ny «Bracelet électronique», hanara-maso azy ireo, raha mihoatra ny toerana voafaritra fa tokony hisy azy ka hitsoaka rehefa manao izany asa izany. Hisitraka tambin-karama ireo voafonja, hendry rehefa mahavita ny saziny.
Notsiahivin’ny filoha fa anisan’ny fanambiny ny fametrahana ny fahefam-panjakana eny ifotony. “Amin’ny alalan’ny fotodrafitrasa manakaiky ny vahoaka izany mba tsy hanahirana sy ho amin’ny fampandrosoana”, hoy izy, raha nitokana ny fitaleavam-paritry ny minisiteran’ny Asa any an-toerana.
Notokanana koa ny biraom-paritry ny polisy ka nambaran’ny filoha fa manakaiky kokoa ny vahoaka izany ary miantoka ny fandrindrana ny asa fitandroana ny filaminana. Mila miara-miasa isika indrindra eo amin’ireo olom-boafidy sy ireo manam-pahefana isan-tokony hanamafisana izany fandriampahalemana izany. Natolotra avy eo ny fahavitan’ny EPP ao Alakamisy ary nahazo bisikileta sy fanomezana ireo ankizy mendrika indrindra sy ireo mpampianatra. Nampanantena ny filoha fa homena boky avokoa ireo hanala CEPE sy BEPC ary Bacc manerana ny Nosy . Hapetraka ny “Cantine scolaire” ary hahazo efitrano ho an’ny informatika ireo mpianatra. Maherin’ny 300 ireo mpampianatra Fram, horaisina ho mpiasam-panjakana.
Moto miisa 61 ho an’ny ben’ny Tanàna
Nitohy tamin’ny fitokanana ny toeram-piantsonan’ny taksiborosy izany avy eo. Nambarany fa niaina anaty loto teo an-toerana teo aloha. Madio sy manara-penitra izany izao. “Mendrika fotodrafitrasa manara-penitra ny vahoakan’Ambositra”, hoy izy.
Notokanany koa ny kianja manara-penitra ao Ankorombe. Ahitana efitrano fikotranana “Salle de musculation” ary sambany izany eto amintsika. Nambarany fa efa tonga ny fitaovana hanamboarana ny lalana RN41, Ambositra – Fandriana. Nahazo “Ambulance” ny ao Ambositra sy Fandriana ary Ambatofinandrahana… Tahaka izany koa ireo ben’ny Tanàna miisa 61, nisitraka moto tsirairay avy.
Synèse R.