Ady sahala samy tsy nisy nitoko ny fihaonana teo amin’ny Uscafoot sy ny AS Fanalamanga, teo amin’ny andro faha-14, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra « Orange Pro League” (OPL), ho an’ny kaonferansy avaratra. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny kianjan’Alarobia, ny sabotsy lasa teo.
Niezaka nitady fandresena teo an-jaridainany ry zareo Uscafoot, notarihin-dry Blanc sy ry Rabie saingy tsy nanaiky mora foana ry Georginoh sy ry Avotra. Nifandimbiasana ny fanafihana saingy tsy nisy ny baolina tafiditra. Fizaram-potoana faharoa, niezaka nanafika ny Uscafoot fa ratsy hatrany ny famaranana izay tokony hamonoana baolina. Nitovitovy, tamin’izany ihany koa ny an’ny AS Fanalamanga, fa diso mikoropaka ny lohalaharana ka very hatrany ny baolina. Tsy manana afa-tsy isa 16 aloha izany hatreto ny Uscafoot ary somary ratsy toerana amin’ny hiatrehana ny “Play-off”. Isa 21 kosa ny an’ny AS Fanalamanga.
Ankoatra izay, lalao tokana ihany no tsy tontosa tamin’ity andro faha-14 ity, dia ny fihaonana teo amin’ny Ajesaia sy ny Tsaramandroso Formation. Fihaonana tokony ho natao tany Mahajanga.
Tompondaka