Niseholany ny lozam-pifamoivoizana ny faran’ny herinandro teo. Olona roa namoy ny ainy ka anisany ilay mpamily fiara tra-doza tetsy Mandriambero, kaominina Ambohidratrimo, omaly vao maraina.
Maty tsy tra-drano, mpamily fiara iray niharan’ny lozam-pifamoivoizana teo Mandriambero, anatin’ny RN4, Pk 12 + 300 , omaly vao maraina. Tamin’ny 4 ora sy sasany, fiara marika Super 5 iray nifandona tamina kamiao. Araka ny filazan’ny manodidina, niala mpitondra bisikileta io fiarakely io. Tsy voafehin’ny mampily anefa ny fiara ka nifatratra avy hatrany tamin’ilay kamiaobe. Vokany, nivarina ivelan’ny arabe ity fiara Super 5 ity. Namoy ny ainy ny mpamily tao anatiny. Potika tanteraka ny fiara. Araka ny angom-baovao azon’ny zandary miasa ao an-toerana, nandeha mafy io fiara tra-doza io. Anatin’ny fanadihadiana izy ireo amin’izao fotoana ka ho fantatra tsy ho ela ny tena nahatonga ny loza. Tetsy ankilany, naratra ilay mpitondra bisikileta. Nentina nihazo toeram-pitsaboana ity farany.
Maty nofaohin’ny fiara tetsy Tsarasaotra
Ankoatra io, lehilahy iray maty voafaokan’ny fiara tetsy amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra, ny marain’ny sabotsy teo. Fiara nandeha mafy no voalazan’ny manodidina ho nandona ity raim-pianakaviana ity. Nipitika anaty bozaka ilay lehilahy. Nilatsaka teo amin’io faritra nitrangan’ny loza io ny ilan’ny “rétroviseur”-n’ilay fiara nandona. Tsy nisy nahita ny nitrangan’ny loza ka nirifatra nandositra ny nahavanon-doza. Misokatra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana. Efa nalain’ny fianakaviany izay monina tsy lavitra ny toerana nisian’ny loza ny vatana mangatsiakan’io raim-pianakaviana io.
Ampitatafika
Fiara tsy mataho-dalana iray nidona tamin’ny andrinjiron’ny Jirama tetsy Ampitatafika, ny alin’ny sabotsy hifoha omaly alahady. Nandeha mafy ilay fiara tsy mataho-dalana. Nifatratra tampoka tamin’io “Poteau” io ity 4×4 ity. Tsy nisy aina nafoy .
Tsiferana R.