“Mihamy Mada Fashion”-Toamasina : nasongadina ireo mpamoron-damaody

Tontosa ny fanamby! Ni­katona ny alin’ny sabotsy teo, tao Toamasina ny andiany fahefatra amin’ny “Mihamy Mada Fashion”. Hateloana nanomezan-danja ny sehatry ny haihaingo sy lamaody ny hetsika. Raha toa ka teto Antananarivo hatrany ireo andiany telo voalohany, nosafidiana manokana i Toama­sina mba hanasongadinana ireo mpamoron-damaody sy ny akora avy any amin’iny faritra Atsinanana iny, tamin’ity.
Tsy mena-mitaha tamin’ireo andiany teo aloha, ary nahitana zava-baovao nampiaiky ny maro ny sanganasan’ireo mpamorona. Tomefy olona hatrany nanoloana ny Lapan’ny Tanà­nan’i Toama­sina, ny alakamisy sy ny sa­botsy. Tsy latsa-danja tamin’izany koa ny “Fashion show”, notontosaina tao amin’ny PACT, ny alin’ny zoma.
“Voaporofo fa seha-pihariana azo trandrahana tsara ao amin’ny faritra Atsinanana ny famoronan-damaody. Afaka mivelatra amin’ny ta­lentany ireo tanora mpamorona, ary antony iray nametrahana ireo ivontoeram-pikotrehana orinasa na ny Centre d’incubation izany. Toamasina rahateo no nisitraka azy ity voalohany”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriatonga­rivo Rakotondra­zafy Lalatiana.
Raha toa ka 38 ny isan’ireo mpamoron-damaody nandray anjara tamin’ny “Mihamy Mada Fashion” tamin’ity, avy ao Toa­masina avokoa ny 26 amin’ireo. Porofo izany fa manana mpamoron-damaody manan-talenta, izay mitrandraka ireo akora avy any an-toerana ihany koa ny faritra Atsinanana.
Irarian’ny rehetra ny hitohizan’ity hetsika nasionaly ho an’ny lamaody ity isan-taona, ka mety ho faritra hafa indray no handray ny andiany faha-5

Zo ny Aina

Partager sur: