Sendikan’ny indostria : manodidina ny 15% ny PIB antsika

Nandray ny fitantanana vaovao ny sendikan’ny indostria malagasy nanomboka ny zoma teo, Rasamimanana Tiana. Azo vokarina eto an-toerana ireny vokatra avy any ivelany ireny. “Ananantsika avokoa ny akora rehetra na amin’ny fambolena sy fiompiana na amin’ny harena an-kibon’ny tany na an-dranomasina”, hoy ny fanazavany. Mampalahelo, hoy izy, ny PIB izay 15%, noho isika manondrana akora ka mividy lafo indray avy eo. Araka izany, manao antso avo amin’ny fanjakana ny sendikan’ny indostria (Sim) mba hijery ny zava-misy. Mila fanampiana ny sehatra tsy miankina. Misy ny vina iarahana amin’ny fanjakana ary azo tanterahina izany noho isika samy te hampandroso ny firenana. “Samy mahazo tombony ny rehetra rehefa mandroso ny firenena. Azo ampiakarina 50 na 60% ny PIB rehefa mitovy ny vina iraisana”, hoy hatrany ity talen’ny Sim ity. Notohizany fa anisan’ny fatiantoka ho antsika ny fanondranana akora. Tokony hojerena ny fomba fiarovana ny indostria eto Madagasikara. Tokony harindra ny haba sy ny hetra aloan’ny entana malagasy.

Henintsoa H.

Partager sur: